FFKM sy ireo filoham-piangonana avy @FFKM nandritra ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao teto Ambohitsorohitra. Fotoana nanehoana fa iray ihany ny tanjona dia ny hizoran’i Madagasikara amin’ny fandrosoana anatin’ny fanarahana ny sitrapon’Andriamanitra. Samy tompon’andraikitra @firenena ny fiangonana sy ny fanjakana ka tsy maintsy miresaka sy mifanome tanana satria vahoaka iray no tsinjovina sy ampandrosoana ary samy mikatsaka ny hahasoa ny firenena.